Baiboly Fihirana

Ramahefanimanana Manda

Baiboly Fihirana app icon
0.0 starsFree
4+Version 1.0.6Updated 5/31/2026, 11:42:00 PM
Open in Store

Baiboly sy Fihirana - amin'ny endriny hafa kely Mampiray ny Soratra Masina, ny Fihirana ary ny Litorjia FJKM ato anatin'ny application sady tsotra hampiasaina ny Baiboly Fihirana. Natao manokana ho an'ny fiangonana FJKM sy izay rehetra te-handalina ny finoana amin'ny teny Malagasy. BAIBOLY FENO - Dikan-teny roa: Baiboly Malagasy 1865 (Tsotra) sy DIEM - Mora vakina, azo ovaina ny haben'ny soratra - Tsotra ny fitadiavana toko sy andininy - Hitady andininy haingana (ohatra: "Jao 3:16") - Adikao, mariho, asio naoty ary zarao ny andininy tianao FIHIRANA ISAN-KARAZANY - Fihirana FFPM (1 ka hatramin'ny 827) - Fihirana Fanampiny sy Salamo - Antema, Fihirana Fifohazana, Vokovokomanga - Mitady hira amin'ny alalan'ny feo, lazao fotsiny ny laharana (reconnaissance vocale en français) LITORJIA & FANEKEM-PINOANA - Litorjia FJKM 1, 2, 3 ary 4 (Fiderana) - Litorjia Sakramenta: Batisa, Fanasan'ny Tompo, Mariazy, sns. - Fanekem-pinoana (Apostolika, Nikeana, sns.) FITAOVANA HAFA - Diksionera Baiboly Malagasy - Vavaka samihafa Mety ho azo ampiasaina na dia tsy misy internet aza ny ankamaroan'ny endri-javatra. Ampitoero ao am-ponao hatrany ny tenin'Andriamanitra

Released
2026-05-26T07:00:00Z
Current version
1.0.6